Padel Madagascar : fahombiazana ny fiofanana nomen’i Bondia

Nifarana ny talata lasa teo teny Ambatobe ny fiofanana nataon’ireo mpanazatra miisa 16, ny taranja Padel eto Ma­dagasikara. Nitarika sy nizara ny traikefany nandritra ny roa herinandro, i Julien Bondia, mpanazatra iraisam-pirenena. Raha tsiahivina, mpanabe amin’ny taranja Padel, na­nomboka ny taona 2014 izy rehefa avy mpilalao ny taona 2008. Fa­hombiazana ny fiofanana nomeny izay tafiditra ao anatin’ny Orange Malagasy Pro Padel Tour (MPPTour). Na­hafahana nampivoatra ny lentan’ity taranja ity ny zavatra nomeny. Nisy ireo naka fiofanana mitokana ary nisy koa ireo niaraka. Tanjona amin’izany ny mba hampakiakarana ny haavo teknikan’ny Padel malagasy.
“Talanjona amin’ny hafanam-pon’ireo mpilalao te hivoatra izahay”, hoy i Gary Ah-Waye, isan’ireo tomponandraikitry ny Orange MPPTour.
Efa nanipy teny sahady i Julien Bondia, ny amin’ny dingana manaraka dia ny fiofanana hahazoana mari-pahaizana iraisam-pirenena izany. «Tonga teto aho, nampita ny fanalahidy sy nanome ny valin’ireo fanontaniana manitikitika rehetra”, hoy ny nambarany izay nanamarika fa manana ny lenta tsara ny Padel ma­lagasy.
Nankasitraka ny fiaraha-miasa amin’ny MPPTour sy ny MPPTour Performance, i Frederic Debord, tale jenera­lin’ny Orange Madagascar. “Tokana ny fanambinay dia ny hivelaran’ny Padel eto Mada­gasikara”, hoy izy.

Torcelin

Partager sur: