SOMBIM-BAOVAO

Misaona ny tontolon’ny taranja handball mala­gasy. Nindaosin’ny fahafatesana, ny talata lasa teo tany Toliara, i Debrockay Willy fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Ralila sy i Fihenena Parfait. Izy miraha­lahy ireo izay samy mpilalaon’ny Asco Toliara. Efa nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara niaraka izy mirahalahy.
Hiditra an-tsehatra anio, ireo mpanao judo Ma­lagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Fihaonana, tanterahina ao Le Caire, renivohitr’i Egypte. Avy hatrany dia hiatrika ny ady izy ireo. Hiady eo amin’ny-70 kg, i Laura raha -52 kg i Christiane ary -48 kg i Natacha. -60 kg i Angelo, hany lehilahy miatrika ity fihaonana ity.
Nandray ny toeran’ny sekretera jeneraly (SG), eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) izay misolo an’i Ranja Mahatovo, Rasolonjatovo Larah Nanou. Olom-baovao eo amin’ity tontolo ity ny tenany. Hisahana ny tale ara-bola (DAF) kosa i Fenosoa Miranto.
Miova endrika tanteraka ny kianja Makis Andohatapenaka amin’izao fotoana izao. Nasiana fanamboarana ny vavahady sy ireo efitrano samihafa ho an’ny ekipa hiady izay ho tompondakan’i Afrika “CAN 2024”, sokajy vehivavy. Eo koa ny bozaka handraisana ny lalao. Tsiahivina fa hanomboka ny sabotsy 4 mey ho avy izao, ny fifaninanana.

Partager sur: