Handball: hatao eto Madagasikara ny “IHF Trophy”

Taorian’ny fandavan’i Maurice tsy handray ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, sokajy “cadet” sy “junior”, hampiantrano izany indray i Madagasikara. Takina ny Licence D izay ho mpanazatra hitondra ny Akio de Madagascar.

Nambaran-dRaheriari­jaona Regina Clarisse, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja handball (FMH), omaly, teny Mahama­sina, fa hatao eto Madaga­sikara ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, sokajy lehilahy zandriny, “cadet” sy “junior”. Ara­ka ny filazany, hatao ny 19 hatramin’ny 25 mey ho avy izao ity fifanintsanana ity.
Tsara marihina fa handray anjara amin’io fifanintsanana io ny nosy rahavavy La Réunion. Ankoatra ity nosy ity, hifanintsana eto i Madaga­sikara, mpampiantrano, Co­mo­res, Maurice, Seychelles. Raha ny fanazavana nataon’ny lehiben’ny FMH, ny ekipa “junior” ihany no hananan’i La Réunion sy Maurice. Tsiahi­vina fa tokony ho natao any Maurice ny “IHF Trophy” saingy noho ny olana misy any an-toerana dia naverina ho raisin’i Madagasikara indray izany.

Tsy maintsy manana Licence D ny mpanazatra
“Tsy mahazo mitondra ekipam-pirenena intsony ireo mpanazatra tsy manana licence D. Araka ny lalàna navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenena taranja handball”, hoy ny filohan’ny FMH. Notsi­a­hivin’ity mpitarika ny handball malagasy ity fa efa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fampiofanana ireo mpanazatra haka izany. Tonga nanatrika teny an-toerana ny solontenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Miisa 18 mianadahy izy ireo, 17 lahy sy vavy tokana, no miatrika izany. Ilay frantsay teknisianina avy any Suisse, Des­sertenne Alain, no hanome ny traikefa azy ireo hatramin’ny alahady ho avy izao. Marihina fa mpampiofana avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena, i Dessertenne Alain.

Fitia Randria

Partager sur: