Inter- Medias 2024 : hatao ny 4 mey avokoa ny lalao rehetra

Nisy fiovana ny fandaharam-potoan’ny fifaninanana ho an’ireo orinasan-tserasera “Inter- Medias 2024”, “Iray eny an-kianja”. Hatao eny Mahamasina, ny 4 mey ho avy izao, avokoa ny lalao rehetra amin’izany, araka ny fanazavana nomen-dRasoloarison Harimbola Monica, filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), omaly. Marihina fa saika natao roa andro, ny 3 sy 4 mey ho avy izao, izany.
Miisa 36 ireo ekipa tonga nisoratra anarana. Mahatratra 26 isa ireo mifaninanana amin’ny taranja baolina kitra, raha 10 ny an’ny basikety. Notsiahivin’ity filohan’ny OJM ity fa niakatra ny isan’ny mpandray anjara raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, izay niisa 32 ireo ekipa nifanintsana.
Ankoatra izay, nanolotra baolina efatra ary handray an-tanana ny fiantohana ireo mpitsara mandritra ny lalao baolina kitra ny ligin’Analamanga tarihin-dRakotoarimanana Henin­tsoa na i Tôta. Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao ny 30 avrily ho avy izao ny fivoriana ara-teknikan’ny fifaninanana.

Fitia Randria

Partager sur: