Ping Pong – Afrika Atsinanana : volamena telo sy volafotsy iray azo

Nifarana omaly ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika faritra Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra, ping pong, lahy sy vavy, izay natao tany Ouganda. Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity, nandrombaka medaly volamena telo sy volafotsy iray ny ekipam-pirenena malagasy.
Ho an’ny sokajy lehilahy, voahosotra ho tompondakan’ny lalao isan-tarika ny Malagasy mpilalao. Adin’ny samy Malagasy ny famaranana teo amin’ny fihaonana ho an’olon-tokana. Nahazo ny laharana voalohany tamin’izany, Rakotoarimanana Fabio, rehefa nandavo an-dRaza­finarivo Antoine, tamin’ny seta 4 no ho 1, (14,12/5,11/11,2/ 12,10/14,12).
Teo amin’ny vehivavy indray, azon-dRaharimanana Hanitra Karen ny medaly volamena, rehefa lavony, seta 4 no ho 1, (9,11/11,7/11,6/ 11,5/ 12,10) teo amin’ny famaranan’ny olon-tokana, i Nangonzi Judith, Ougandaise mpilalao.
Tombony ho an’i Mada­gasikara ny fisian’ireo Mala­gasy mpilalao efa zatra miatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Tsara ny mampahafantatra fa i Antoine sy i Fabio, izay efa nahazo ny medaly alimo, tany Italie, ny taona 2023, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany “World Table Tennis”, ho an’olon-droa miaraka ary efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika, tany Tunis Tunisie, ny volana septambra lasa teo.

Fitia Randria

Partager sur: