SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ao amin’ny kianja Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana « Grand Open de Mada », ho an’ny haiady Jiu-Jitsu brezilianina. Lalao izay karakarain’ny Club 101 Jiu Jitsu. Tsara marihina fa ity no andiany faharoan’ny “Grand Open de Mada”.

Hafindra eto Antananarivo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano. Araka ny vaovao voaray, noho ny antony ara-bola no nanaovana izao fanovana izao. Tsara marihina fa tokony hatao any Toamasina ity fifaninanana ity. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 1 hatramin’ny 4 mey ho avy izao izany.

Afaka andro vitsy, hanomboka ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Miisa efatra izy ireo no tafita amin’izany. Ny Real Madrid Espagne, ny Bayern Munich Allemagne, ny Dortmund Allemagne, ny Paris Saint Germain France.

Araka ny fikarohana natao omaly, hanohy ny maha mpanazatra ny FC Barcelone Espagne, i Xavi, espaniola teknisianina. Niova hevitra tampoka ity mpanazatra ity noho ny fangatahan’ireo mpitantana ny klioba. Tsiahivina fa i Xavi indray no nitondra ny ekipan’ny FC Barcelone teo amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny Ligue des Champions.

Partager sur: