“Africa cup – 3 x 3” : hatao eto Madagasikara

Nankatoavin’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alarobia lasa teo, ny hanatontosana ny fiadiana ny amboaran’
i Afrika “Africa cup” lalaovin’olona 3, ho an’ny sokajy lehilahy, taranja basikety. Hatao ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra izany. Raha tsiahivina, efa nambaran-dRamaro­son Jean Michel, filohan’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), ny volana jolay 2023, fa homen’ny Fiba Afrique an’i Madagasikara ny fanatontosana ity fifaninanana kaontinantaly ity ho an’ny taona telo manaraka (2024 ; 2025 ; 2026).
Hiankina amin’ny fankatoavan’ny fanjakana anefa vao azo raisina izany fanapahan-kevitra izany. Ankehitriny, efa ofisialy fa hatao eto Madagasikar ity fiadiana ny amboaran’i Afrika ity, ho an’ity taona ity. Tombony goavana ho an’ny Ankoay ny fandraisan’i Madagasikara ity “Africa cup” ity ary herijika lehibe ho azy ireo ny handrombahana ny anaram-boninahitra rehefa tsy nahazo izany tamin’ny volana desambra 2023.

Tompondaka

Partager sur: