Judo – Tompondakan’i Afrika : nahazo medaly alimo Rasoanaivo Laura

Atleta malagasy iray tamin’ireo efatra mianadahy nahazo vokatra tsara, Rasoanaivo Laura, vehivavy judoka, medaly alimo, teo amin’ny sokajy (-70 kg). Hiatrika ny lalao isan-tarika indray ny ekipam-pirenena malagasy rahampitso.

Tsara ny vokatra ho an’ny solontenan’i Madagasi­kara, omaly, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Egypte, taranja Judo, sokajy senior, lahy sy vavy. Nalain-dRasoanaivo Laura, vehivavy judoka ny medaly alimo, ho an’ny lalaon’ olon-tokana, sokajy (-70 kg). Raha hiverenana ny dingana nataon’i Laura, tamin’ity fifanintsanana ity. Nahintsan’ilay Maraokanina, Belattar Sofia, nandritra ny dingana faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona “C”, izy. Resin’ity Mala­gasy ity teo amin’ny fihodinana voalohan’ny dingana “répechage” i Bento Olga, teratany Angolais. Lavon’i Laura, teo amin’ny ady alimo, i Biami Zita Ornella, Cameronaise.
Solontena iray tamin’ireo efatra mianadahy nandrafitra ny ekipa malagasy, araka iza­ny, no nahomby tamin’ity fifanintsanana Afrikanina ity. Tsia­hi­vina fa nihintsana tany am-piandohana avokoa ry Nata­cha, (-48 kg) sy Christiane Vital (-52 kg), vehivavy judoka. Na­ha­zo ny laharana fahafito kosa i Angelo, sokajy lehilahy (-60 kg).

Hiatrika lalao isan-tarika ny Malagasy
Vita ny fihaonan’olon-tokana ho an’ireo Malagasy efatra mianadahy miatrika ny lalao Afrikanina. Hiditra amin’ ny isan-tarika ny ekipam-pirenena malagasy rahampi­tso. Ha­narina ny lesoka nandritra ny fifanandrinan’olon-tokana izy ireo amin’izany. Tsara ny mampahafantatra fa manana ny lanjany lehibe ity fifanintsanana ity, natao hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Lalao Olympika”, hatao any Paris France, izany.
Aorian’ity, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany, eo amin’ny taranja Judo, i Laura.

Fitia Randria

Partager sur: