Kitra – Fanemorana ny «Play-offs» : “Fanapahan-kevitry ny FMF fa tsy an’ny CFEM”, hoy i Tôta

Manoloana ny fihemoran’ny dingana ampahefa-dalana mandroso amin’ny “Play-offs”, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, na ny “Pureplay football league” (PFL), nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM), omaly zoma, tao amin’ny tabajotran-tseraserany, fa fanapahan-kevitry ny federasiona izany fa tsy azy ireo.
Raha tsiahivina, ny resaka fifindran-toeran’i Joma, mpilalaon’ny AS Fanalamanga nandeha any amin’ny Fosa Jr no fototry ny olana. Araka izany, mbola handinika ny famahana izany io rafitra io vao afaka tohizana ny fifaninanana amin’ity “Play-offs” ity.
Manoloana izany, naneho ny fahagagany ny tenany satria tokony ho efa tany amin’ny andro voalohany no efa nandraisana fepetra fa tsy aty amin’ny andro fahafito. Miala tsiny amin’ireo ekipa rehetra ny tenany satria ny CFEM dia eo ambany fiahian’ny federasiona ka tsy afa-manohatra. Inoana fa tsy ny amin’ity “Pureplay football league” ity ihany ny handraisana fanapahan-kevitra hentitra fa amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ihany koa. Efa nandray anjara tamin’izany fifaninanana izany koa mantsy i Joma. “Ny fitavozavozana toa izao no mahatonga ny fikorontanan-javatra toa izao”, hoy i Tôta.

Tompondaka

Partager sur: