SOMBIM-BAOVAO

Araka ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, nanapa-kevitr’izy ireo ny handoavana ny tambin-karaman’ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar, sokajy A. Tsiahivina fa io no anisan’ny olana tsy nahafahan’ireo mpilalao milaravinahitra sasany namonjy ny lalao ara-pirahalahiana teto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao.
Afaka andro vitsy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika « Can 2024 », taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, ny Makis Ladies. Efa ao anatin’ny fanomanan-tena mafy izy ireo amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” ireto vehivavy malagasy mpilalao ireto.
Hotontosaina rahampitso, eny Arivonimamo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikaran « Run Mada », dingana voalohany. Tsara ny mampahafantatra fa aorian’ity fifaninanana ity, hiatrika ny dingana faharoa amin’izany indray ireo Malagasy mpilalao rally ny volana jona ho avy izao.
Hotanterahina anio sy rahampitso, ao amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny fifaninanana taranja tenisy ambony latabatra “ping pong”, sokajy rehetra, lahy sy vavy, ho an’ny seksiona Antananarivo Renivohitra. Hanokatra ny fifanintsanana amin’izany ny lalao “Open”, lehilahy, izay hatao amin’ny 8 ora sy fahefany.

Partager sur: