Mois : avril 2024

Manolo-bato mafana

  Hivoaka anio ny lisitra ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, mahakasika izay ho kandidà depiote. Lisitra maha sasa-miandry sy mampitaintaina ho an’ireo izay mamim-bahoaka kanefa tsy anaty fitondrana na olona manana ny maha izy azy, saingy mety haharesy ny kandidàm-panjakana. Asa na ho tafa na tsy ho […]

Fiatrehana ny fifidianana: hamafisina ny fiambenana ny fonja rehetra

Hentitra ny toromariky ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nandraisana fepetra manokana ny eny anivon’ny fonja. Nitsidika ny fonjabe any Miandrivazo ny minisitra ny faran’ny herinandro teo. Nilatsaka tamin’izany ny toromarika ho an’ireo mpandraharahan’ny fonja. “Hamafisina ny fiambenana ny fonja sy ny fandrindrana na koa fandaminana ireo rehetra mivezivezy […]

TSELATRA

Mpisakaiza niara-nangalatra kisoa tratran’ny zandary tao Ibozaka, fokontany Ampanibe, kaominina Masindray, ny alahady 14 avrily teo. Nafenina tao amin’ny tranon’ilay vehivavy ireo kisoa roa nalaina ny alin’ny 11 avrily hifoha ny zoma 12 avrily teo. Dahalo raindahiny lavon’ny balan’ny zandary tao Berivotra, distrikan’i Maevatanana, afakomaly. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana teo […]

Disadisam-pianakaviana : vehivavy novonoina tovolahy iray

Natolotra ny fampanoavana omaly ka naiditra vonjimaika any am-ponja ao amin’ny fonjan’Antsirabe ny tovolahy iray vao 22 taona, tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao Ibity. Na­hazo fampitam-baovao avy amin’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ibity ny lehiben’ny zana-tobim-paritra Ibity fa misy olona hita faty ao Mandrava, fokontany Manan­jara, Ibity. Nidina ifotony ny […]

Ankizy 16 taona voaolana : voasambotra ilay mpampiasa

Nosamborin’ny zandary ny lehilahy iray nanolana ny mpanampiny izay vao 16 taona, teny Ambohimangakely, ny sabotsy 13 avrily teo. Nahazo taratasy fitoriana avy tamin’ny fianakavian’io ankizivavy lasibatra io ny mpitandro filaminana. Voalaza tao anatin’io fitoriana io fa niharan’ny fanolanana nandritra ny herintaona sy tapany ny ankizivavy iray vao 16 taona. […]