Manomboka sahady ny fisotasotana sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny kandidà sasany. Mafy ny tsindry amin’ny tokony hahalany azy amin’ny faritra misy azy. Zava-doza rahateo ny manjo azy ireny raha sanatria tsy lany kanefa nahazo «mandat » na ilay fahazoan-dalana hampiasa ny anaran’ingahy Filohan’ny Repoblika. Tsy nomena fahatany akory ireny […]
Mois : avril 2024
Fanampiana avy amin’ny Sinoa : laharam-pahamehana ireo faritra lasibatry ny rivodoza
Hisy fiatraikany lehibe amin’ny famokarana eto an-toerana, indrindra ho an’ireo tantsaha, ny fanampiana nomen’ny Sinoa. Izy ireo izay efa niara-niasa tamin’i Madagasikara an-taonany maro, indrindra teo amin’ny sehatry ny fambolena. Tontosa tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 9 avrily 2024, ny lanonana nanaovana sonia ny fifanarahana famatsiam-bola tsy averina avy amin’ny […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny halatra omby ao Antsohihy, ny talata 9 avrily teo. Nahatrarana omby mitotaly 116 tsy nisy taratasy tao amin’ny valan’io lehilahy io ka nosamborin’ny mpitandro filaminana izy. Nogiazana am-balam-pamonjana avokoa ireo omby ireo. Zaza fito taona maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara mpitatitra tao […]
Nandriaka ny ra teny By-Pass : mpitondra moto maty voahitsaky ny kamiaobe
Mampihoron-koditra ! Nitrangana lozam-piarakodia indray teny By-Pass, ny alarobia teo. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona nitondra moto no maty voahitsaky ny kamiaobe. Nandriaka tamin’ny arabe ny ra. Vaky ny lohany, nipotsaka ny tsinainy. Araka ny fitantaran’ireo olona nahita maso ny fitrangan’ny loza, nisongona fiara teo aloha ity raim-pianakaviana mpitondra moto […]
Fanafihan-jiolahy: mpianaka lasan’ ny mpaka an-keriny
Nentin’ny jiolahy nitam-piadiana ny vehivavy sy zaza manodidina ny 12 taona tao amin’ny fokontany Ampasimandroro, kaominina Maintirano, faritra Melaky, ny alin’ny talata 09 avrily teo tamin’ny 11 ora sy sasany. Jiolahy manodidina ny folo lahy no niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tao tapon-tanàna. Nitondra zava-maranitra toy ny antsy, nanambana […]




