«Ingahy Emmanuel» na i «Emmanuel» na Andriamahefa Emmanuel. Samy anarana nahafantarana azy teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy sy ny fiseraserana teny anivon’ny fiarahamonina avokoa ireo. Araka ny vaovao nampitain’ny tambanjotran-tserasera maro, nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-63 taonany i Emmanuel. Ny taona 2022 izy no efa nandia tsy fahasalamana, raha ny […]
Mois : avril 2024
Rantin-tsary: handravaka ny Ivokolo ny asa tanan’i Laila
Efa samy vonona ny rehetra, na ny mpahay kanto, na ny mpankafy azy. Vokatra vaovao, tsy miala amin’ny nankafizan’ny maro azy hatramin’izay no andrasan’ireo mpankafy , izay efa niomanan’ny mpahay kanto ihany koa. Tanterahina manomboka anio, hatramin’ny 20 mey 2024, eny amin’ny Galerie d’Art R. R. Raparivo, Ivokolo Analakely, ny […]
Taorian’ny fifehezana : niara-nitotorebika ireo mpino silamo nandritra ny Aïd el-Fitr
Nifarana ny talata 9 avrily teo ny fifehezana na fifadian-kanina eo amin’ny mpino silamo. Natao nandritra ny 30 andro tao anatin’ny volana Ramadan izany. Niditra tamin’ny fety be, famahana ny fifehezana na “Aïd el-Fitr” izy ireo omaly. Niditra voalohany indrindra teto Madagasikara, tany ho any amin’ny taonjato faha-16, ny finoana […]
FANTINA sy FINTINA
Mety hiakatra ny vidin’ny lavanila eto Madagasikara noho ny fiakaran’ny vidin’ny cacao. Nanimba ny 50% ny vokatra tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, toy ny ao amin’ny faritra Sava. Niverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana any amin’ny tetezana Manakolagna (RN5A), nanomboka omaly 9 avrily. Dingana manaraka […]
Ambatondrazaka : mihena ny trondro ao amin’ny farihin’Alaotra
Mihena isan-taona ny hazandrano vokatra ao Alaotra. Teo aloha, namokatra trondro 6 000 t isan-taona ny farihy ao an-toerana. Ankehitriny, 1 000 t isan-taona eo sisa ny vokatra azo. Manomboka tototry ny atsanga ny farihy noho ny fahapotehan’ny ala manodidina. Antony faharoa mampihena ny vokatra ny tsy fanarahana ny lalàn’ny […]




