SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fanapahan-kevitra nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alakamisy lasa teo, alefa amin’ny fahitalavitra nasionaly, Televizionina Malagasy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Euro 2024 », taranja baolina kitra. Tsiahivina fa hanomboka ny 14 jona ary hatramin’ny 14 jolay ho avy izao izany.

Hifarana rahampitso, any Antsirabe, ny fifaninanana taranja basikety 3×3, “Shoot out” andiany faharoa. Tsiahivina fa efa nanomboka ny 1 mey lasa teo ity hetsika ity. Tsara marihina fa maro ireo lalao mandeha any an-toerana. Tanjona ny hampivelatra ny taranja eto Madagasikara.

Hotontosaina anio, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ireo orinasan-tserasera “Inter-Média 2024”, “Iray eny an-kianja”. Amin’ity andiany fahatelo ity, nezahin’ireo mpikarakara novaliana avokoa ny hetahetan’ireo orinasan-tserasera mandray anjara.

Hotanterahina rahampitso, eny Ambohiman­ga, ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Moto “Enduro”. Tsiahivina fa nandritra ny dingana voalohany natao ny volana avrily lasa teo, tany Imerimandroso Ivato, norombahin’i Andy, ny laharana voalohan’ny fifaninanana.

Partager sur: