Taranja lomano: hifarana anio ny taom-pilalaovana 2024

Tapitra anio ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja lomano, “bassin 50 m” izay nanomboka ny 1 mey lasa teo, teny amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha. Araka ny vaovao nampitain’ny tale teknika nasionalin’ny Federasiona malagasin’ny lomano (FMNa), ity fifaninanana nasionaly ity no mamaranana ny taom-pilalaovana 2024. Raha ny fanazavana voaray, mpilomano manana taratasim-pilalaovana miisa 311 mianadahy no mifanintsana eny an-toerana.
Avy amin’ireo klioba 22 izy ireo. Anisan’izany ny Club Natation de la Côte-Est (CNCE), Bezanozano Club Natation (BCN), St Michel, Tana Racing Club, Cosfa, Cosra. Tsara ny mampahafantatra fa nandray anjara tamin’ity ireo mpilalao efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena, toa an-dry Jonathan Harivony Raharvel, lehilahy, Malagasy mpilomano ao amin’ny klioban’ny Cosfa Analamanga sy i Tendrinavalona Idealy Diaritiana, vehivavy, avy amin’ny Cosra Vakinankaratra.
Tsara marihina fa avy amin’ireo ligy fito: Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Boeny, Vatovavy, Alaotra Mangoro, ireo klioba mandray anjara ireo.

F.R

Partager sur: