DAKA AN-JORONY: Olon’iza izato miserana

Nafana ny fandraisan’ny Malagasy ny fandresena azon’ny Makis Ladies, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby. Nandavo an’i Kenya, anisan’ny andrarezin’ny rugby mantsy ireo tovovavy malagasy. Maro ireo efa milaza fa hanohana. Tsy mahagaga izany fa tsy mitaingina soavaly maty ny ankamaroany.
Ka olon’iza ary izato miserana? Handalo ho hitan’ny rehetra fa ao an-damosin’ny Makis Ladies, satria nahazo fandresena. Taiza izy ireo hatramin’izay, antsoantso natao mba hanohanana ireto mpilalao ireto izay. Mahavariana fa miandry fotoana mety izy ireo vao miseho. Tao anatin’ny fanomanantena, tsy hita nitsidika na nijery indray mandeha fotsiny, ireo mpilalao. Ao anatin’izao fahombiazana izao, ho sesilany ny fijerena ireo mpilalao ary hitondra izay voarambin’ny tanana. Fa olon’iza izato miserana?
Variana ny mpitazana, fa nangina ny tontolon’ny rugby tao anatin’ny fotoana nanomanana. Niady irery ny mpitantana sy ny mpanazatra ary ny mpilalao nanao izay ho afany. Toa zary lasa antso an’efitra ny fiangaviana hitondra na dia rano mangatsiaka fotsiny aza, ho sotroin’ireo mpilalao. Ankehitriny, tsy mila manao antso akory ireo mpilalaon’ny Makis Ladies, ho zavon-tany ny tohana ara-tsakafo sy ny fanafody ho azy ireo. Olon’iza izato miserana.
Tsy maninona fa ny Makis Ladis, tsy manao valifaty. Arosoy ary izay fanohanana fa misokatra ho an’ireo izay tsy mbola nanatanteraka izany ny varavarana. Ho avy hameno ny kianja izy ireo amin’ny lalao manaraka satria mba te higoka izany tsirom-pandresena izany. Te ahita maso sy hifanatrika mivantana amin’ireo mpilalaon’ny Makis Ladies, ka olon’izao izato miseran

Tompondaka

Partager sur: