Inter–Médias 2024: lasan’ny ORTM sy ny RVS ny amboara

Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja «Annexe» Mahamasina, ny fifaninanana ara-panatanjahantena nifanandrinan’ireo orinasan-tserasera sy ny mpanao gazety
na ny «Inter-Médias 2024». Nandrombaka ny amboara teo amin’ny basikety ny ORTM, raha ny RVS kosa ho an’ny baolina kitra lalaovina olona 7.
Ho an’ny basikety, resin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-panjakana mitambatra teo amin’ny famaranana ny RVS. Laharana fahatelo ny Kolo TV. Teo amin’ny baolina kitra, lavon’ny RVS, tamin’ny isa mazava 3 no ho 1 ny TV Plus. Nahazo ny medaly alimo ny Orange Actus, nanilika ny Sioka tamin’ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny fiadian-toerana. Raha ho an’ny ekipan’ny Ultima-Média, samy nihintsana teo amin’ny lalaom-bondrona avokoa na ny ekipan’ny baolina kitra miisa 3 na ny basikety nahitana ekipa 2.
Nanotrona ny lalao famaranana ary nanolotra ny am­boara sy ny medaly ho an’ny ekipa mpandresy, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, misolo toe­rana vonjimaika ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Nisaorany manokana ny Hola­fitry ny mpanao gazety (OJM) nikarakara iny fihaonana iny. Noderainy ny firaisankinan’ny mpanao gazety rehetra, niara-nilalao. Naneho ny fahavo­nonany izy amin’ny fiaraha-miasa sy fanohanana. Nisy ny fiaraha-nanapaka ny mofo­mamy, mariky ny faha-50 taonan’ny OJM. Ankoatra izay, nisy ny vatakely nanangonana vola entina hanampiana an’i Judd, tratry ny tsy fahasalamana amin’izao fotoana izao.

Tompondaka

Partager sur: