Kitra – Atsimondrano Champions League: hatao ny 12 mey ny «Poule des As»

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana amin’ny «Poule des As», ny fiadiana ny Atsimondrano Champions League (ACL), taranja baolina kitra. Fihaonana karakarain’ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny sy ny Atsimon­drano action sport. Nambaran’ ny mpikarakara tamin’ny fi­haonany tamin’ny mpanao gazety, ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatan­jahantena Mahamasina, fa hotanterahina ny alahady 12 mey ho avy izao izany.
Ireo ekipa efatra voalo­hany avy amin’ny faritra roa no hifaninana. Ny Tambatra FC Ambohijanaka, ny FC Samada Soavina, ny Voromahery Tsia­fahy ary ny FC Loharano Fiom­bonana, ny avy amin’ny faritra «A». Ny RN1 Fenoarivo, ny Valence FC Andranonahoatra, ny FCB Bongatsara ary ny Zazamaola Itaosy kosa ny ao amin’ny faritra «B».
Nambaran’ny solomba­vam­bahoakan’Atsimondrano, fa mieritreritra ny ho sangany izy ireo atsy ho atsy satria efa namoaka ekipa miatrika ny fifaninanana eo anivon’ny ligin’Analamanga ny ACL dia ny Ste Anne izany. Notsiahi­viny fa efa andalam-pahavi­tana ireo kianja «synthèti­ques» miisa 2 ao Atsimondrano. Ma­rihina fa lelavola 5 tapitrisa Ar ny loka hozaraina ho an’ireo ekipa 2 voalohany. Hahazo
4 tapitrisa Ar sy amboara le­hibe ny « super champion » ary 1 ta­pitrisa Ar ny «vice cham­pion».

Torcelin

Kianja Ambohimamory
09 : 00 – RN1 Fenoarivo vs FCB Bongatsara
02 : 00 – Valence FC vs Zazamaola
Kianja Ambohijanaka
10 : 00 – FC Samada vs Voromahery Tsiafahy
02 : 00 – Tambatra FC vs FC Loharano

Partager sur: