Dortmund sy PSG: hiady ny tapakilan’ ny famaranana

Tonga ity ny fotoana ho an’ny Paris Saint Germain (PSG), klioba frantsay. Tsy maintsy hanala vela amin’ny ekipan’ny Dortmund Allemagne izy ireo, anio, ao amin’ny Parc de Princes France, mandritra ny lalao manasa-dalana miverina, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions”.
Tsiahivina fa nandritra ny fihaonana mandroso, lavon’ny Dortmund tao an-taniny, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny PSG, ny alarobia 1 mey lasa teo. Tsy maintsy mandresy amin’ny elanelan’isa roa ny PSG vao tafita amin’ny dingan’ny famaranan’ny LDC. Ady sahala, efa ampy hampiakatra ireo mpilalaon’i Allemagne any amin’ny faratampon’ity fifanintsanana ity.
Ankoatra izay, ho toy ny lalao famaranana ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Real Madrid Espagne sy ny Bayern de Munich Allemagne. Hatao ao amin’ny kianjan’ny Santiago Bernabeu Espagne izany. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny roa tonta, teo amin’ny dingana voalohany, tany Allianz Arena Allemagne, ny talata lasa teo. Tsara ny mampahafantatra fa hatao ny volana jona ho avy izao, ao amin’ny kianjan’ny Wembley Angleterre, ny famaranan’ny “LDC 2024”.

F. R

Partager sur: