Echec – “Bundesliga 2024-2025”: hiady ny tompondakan’i Allemagne i Fy Antenaina

Mitety ireo firenena misy fifaninanana goavana amin’ny lalaon-tsaina Echec, Rakotomaharo Fy Antenaina, amin’izao fotoana. Ankehitriny, tafiditra hiady ny ho tompondakan’i Allemagne “ Bundesliga”, amin’ny isan-tarika izy sy ny ekipany.

Tsy mitsahatra ny mitondra avo ny voninahi-
pirenena eo amin’ny taranja lalaon-tsaina Echec, Rakotoma­haro Fy Antenaina. Fantatra ary izao fa anisan’ ireo tafita hiatrika ny fiadi­ana ny ho tompondakan’i Alle­magne “Bundesliga”, isan-tarika amin’ny taom-pilalaovana 2024 sy 2025, ny tenany sy ny Bad Mergentheim, ekipa misy azy amin’izao fotoana izao.

Ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Allemagne, no nanatontosana ny fifaninanana, hiatrehana izany, ka nitana ny laharana faharoa i Fy, nahazo isa 2 442. Tsiahivina fa fifaninanana goavana in­drin­dra maneran-tany ny “Bun­desliga”. Hanendrena izay klioba mendrika indrindra mandritra ny taom-pilalaovana iray.

Mandritra ity fifaninanam-pirenena alemà ity, hifanandrina amin’ireo mpilalao sangany maneran-tany, ao anatin’ny «Top 100» i Fy sy ny ekipany, mandritra ny fihodinana miisa 15.
“Fiadiana ny ho tompondaka isan-tarika mafy maneran-tany, ahitana ireo kalaza milalao anaty klioba maro, no hatrehina”, hoy i Fy.
Raha tsiahivina, efa maro ny anaram-boninahitra azon’i Fy. Efa imbetsaka nahazo ny tompondakan’i Madagasikara, anisan’ireny ny tamin’ny taona 2013 nahazoany ny amboara teo amin’ny sokajy rehetra.

Efa tompondakan’i France universitaire, ny taona 2020. Tompondakan’i Afrika (zonal 4.3) tamin’ny 2019. Laharana faha-9 nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany U16, natao tany Durban, ta­min’ny 2014. Niala teto Ma­dagasikara, ny taona 2013, ary mipetraka any Frantsa, saingy mitondra ny anaran’i Madagasikara hatrany amin’ ireo fifaninanana hatrehiny. 25 taona i Fy ary mbola manohy ny fianarany. Mandalina sy manamafy hatrany ny traikefany, amin’ity filalaovana Echec ity, any ivelany any.

Tompondaka

Partager sur: