«Rallye Castien Terre d’Occitanie»: voalohany i Mika amin’ny Clio Trophy Terre

Notanterahina tany Fran­tsa, ny 3 ka hatramin’ny 5 mey lasa teo, ny «Rallye Castien Terre d’Occitanie», dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa, amin’ny rallye Terre. Nison­gadina i Mika sy i Bouget Bastien, nitondra ny fiara Renault Clio V. Norombahin’ izy mirahalahy ny voalohany teo amin’ny sokajy Clio Trophy Terre. Nitana ny laharana faharoa kosa ry zalahy teo amin’ny «2 Roues motrices». Faha-16 teo amin’ny filaharana ankapobeny, tamin’ireo fiara 57 sisa tonga tamin’ity rallye ity. Tsy nisy nokianina ny zava-bitan’i Mika nandritra ny fanatontosana ireo dingana manokana tamin’ity, raha ny filazan’ny mpanao gazety any an-toerana mom­ba ny vokatra azony. «Na­hafinaritra satria nahazo fandresena. Anisan’ny nahazoana iny vokatra iny ny tombon-dalana efa azonay ny andron’ny sabotsy dia nezahina notazomina fotsiny hatramin’ny farany. Efa zava-dehibe amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa izany hoe mahazo ny laharana voalohany izany», hoy i Mika.

Tonga teo amin’ny laharana faha-18 kosa i Faniry, niaraka tamin’i Heer François, nitaingina ny fiara RC5. Tsiahivina fa tsy nisy afa-tsy i Mika sy i Faniry ihany ny Malagasy niatrika ity fifaninanam-pirenena ity.

Tompondaka

Partager sur: