SOMBIM-BAOVAO

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy,
ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Mahamasina, ny mpikambana mandrafitra ny Federasiona malagasin’ny Taekwondo (FMTKD). Notendren’ny filohan’ny FMTKD, Rakotomanana Franck, ho tale teknika nasionalin’ny federasiona i Pharlin Dimbiniaina.

Araka ny vaovao nivoaka ny sabotsy lasa teo, tany Maorisy, tsy voatazona ho mpanazatra ny ekipa nasionaly Maorisianina intsony Rasoanaivo Fidy, Mala­gasy teknisianina nitantana ny Club M teo aloha. Nahazo fandresena dimy sy sahala roa ary faheresena fito, i Maorisy, nandritra ny fotoana nitondran’ity Mala­gasy ity.

Hanomboka ny 11 mey hatramin’ny 8 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny fifaninanana “Turn Over”, taranja baolina kitra anaty trano, sokajy vehivavy. Miisa 16 ireo Oniversite handray anjara amin’izany. Anisany ny UCM Ambatoraka, mpikarakara ny hetsika

Traikefa hampitomboina! Mpikirakira vaovao ara-panatanjahantena folo mianadahy, roa vavy sy valo lahy no misitraka fampiofanana tarihin’ilay frantsay mpanao gazety, Richard Eric, sy Raoto Andriamanambe, Malagasy. Hetsika natao nanomboka ny alahady lasa teo, teny Ankorondrano.

Partager sur: