Basikety – “Acnoa”: hiakatra kianja anio ny Ankoay

Tonga ity ny fotoana ho an’ireo Malagasy mpilalao zandriny, Ankoay U18, lahy sy vavy. Hiakatra kianja anio, ao amin’ny Kianja mi­tafon’i Victoria Seychel­les, izy ireo, mandritra ny andro voalohan’ ny taranja basikety, amin’ny lalaon’ny “Asso­ciation Afri­caine des comités olympi­ques (Acnoa)”.
Ao amin’ny vondrona A no misy ny ekipam-pirenena malagasy. Miray vondrona amin’izy ireo i Maurice sy Comores ary i Seychelles, mpampiantrano. Ry zareo maorisianina no hifanan­drina amin’ny Malagasy mpi­lalao, voalohany, araka ny vaovao voaray any an-toerana. Raha ny loharanom-baovao azo ihany koa, tsy afaka nanatrika ny lanonam-panokafana ny delegasiona maorisianina, noho ny olana teo amin’ny zotram-piaramanidina nitondra azy ireo makany an-toerana. Marihina fa atao amin’ny 10 mey ny manasa-dalana.
Tsara ny mampahatsiahy fa hifarana ny 11 mey ho avy izao ity fifanintsanana ity.

Fitia Randria

Fandaharan-dalao anio:

Vondrona A, lehilahy:

4 ora sy sasany (ora eto Madagasikara): Madagasi­kara vs Maurice
6 ora latsaka folo : Madagasikara vs Comores
7 ora latsaka folo : Madagasikara vs Seychelles
Vondrona A, vehivavy :

4 ora latsaka folo : Madagasikara vs Maurice
5 ora sy folo : Madagasikara vs Comores
6 ora sy folo : Madagasikara vs Sey­chelles

Partager sur: