pfl – Savorovoro : nofoanana ireo sazy nomen’ny CFEM

Nivory ny 26 avrily lasa teo, teto Antananarivo, ny mpikambana eo anivon’ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana (codis), eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Nandray fanapahan-kevitra vaovao mahakasika ny savorovoro teo amin’ny lalaon’ny Mama FC sy ny 3FB Toliara izy ireo. Nisy andinin-dalàna enina nivoaka taorian’io, ka voalo­hany amin’izany ny fanafoanana ireo sazy navoakan’ny CFEM.
Ankoatra izay, voalaza ao amin’ny andininy faharoa fa voasazy tsy afaka hifaninana, forfait, ny 3FB Toliara ka resin’ny Mama FC amin’ny isa 3 no ho 0. Ny fahatelo, tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahatomombanan’ny filaminana teny an-toerana ny Mama FC sy ny CFEM. Afaka manohy ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League (PFL) » ny ekipa avy any Toliara ary afaka mandray lalao ao an-kianjany, araka ny andininy fahefatra.
Ny fahadimy kosa dia mandidy ny CFEM hanaraka ny andininy faha-15 amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fitsipi-pifehezana momba ny fametrahana ny lamandy. Farany, nomena fe-potoana telo andro ihany koa ireo izay hanao fangatahana eny anivon’ny kaomisaonina misahana ny fandraisana fitarainana.
Tsiahivina, tsy tontosa hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta, nandritra ny andro faha-7 “PFL”, natao teny Vontovo­rona, ny 14 avrily lasa teo, noho ny fikasihan-tanana nataon’ ny mpijery iray tamin’ilay mpitsara fahefatra.

F.R

Partager sur: