Niakatra ny maripanan’ny raharaha Joma, Malagasy mpilalao! Namoaka ny heviny tao anaty tambajotran-tserasera ny Fosa Junio Boeny, omaly, taorian’ny fanambarana nataon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny AS Fanalamanga, ny zoma lasa teo, teny Nanisana. Nilaza ity klioba ity fa efa niakatra eny anivon’ny tribonaly misahana ny ady ara-panatanjahantena (Tas) sy ny Fifa ny resaka mahakasika an’i Joma, amin’izao fotoana izao.
“Manantena izahay fa hanome valiny marina sy mahitsy ny Tas ka hanasazy ny AS Fanalamanga na ara-bola, na ara-panatanjahantena”. Nambaran’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Fosa Juniors. Nomarihin’izy ireo ihany fa tsy mpilalaon’ny AS Fanalamanga intsony i Joma. Efa nomarihin’i Joma tamin’ny kliobany vaovao fa tsy misy zavatra mampiray azy amin’ny AS Fanalamanga intsony. Tsy nandray karama i Joma, nandritra ny enim-bolana mialohan’ny fahataperan’ny fifanarahana tamin’ity klioba avy atsy Moramanga ity. Tsara ny mampahafantatra fa nifarana ny taona 2023 lasa teo izany.
Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa efa nangataka ny hifampiresaka amin’ny AS Fanalamanga ry zareo saingy tsy nisy valiny hatramin’izao. Tsara marihina fa mbola hanohy ny fifaninanam-pirenena ihany ity klioba avy any Boeny ity, na dia tsy eken’izy ireo aza ny sazy mianjady ny mpilalaony.
Fitia Randria




