Mois : mai 2024

Kamiao tra-doza teny Imerintsiatosika : olona efatra maty nilatsaka tao ambany tetezana

Nitrangana lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1, PK 23) teo amin’ny tetezana Ka­tsa­o­ka Imerintsiatosika, ny 17 mey 2024 alina. Kamiaobe an’ny orinasa tsy miankina iray no niharan-doza tampoka teo am-pidirana ny tetezan’i Katsaoka. Tratran’ny tsy fahatomombanana tampoka teo amin’ny familiana ity kamiaobe ity ary tsy voafehin’ny mpamily intsony ka namantana […]

Dimy mianaka lasa takalonaina : 30 lahy mitam-basy nanafika tanàna

Lasan’ny mpaka an-keriny ny olona dimy mianaka tao Tsaratanàna. Nalain’ny jiolahy ny telo mianaka tao Mahavelona, Ankazobe. Nanao fangalam-piery ny dahalo sy ny mpitandro filaminana, nandritra ny faran’ny herinandro. Vehivavy roa sy lehilahy telo nalain’ny dahalo 30 lahy nitam-piadiana ta­min’ny zoma alina. Tao amin’ ny tanànan’Ambodikininina, fokontany Betenina, kaominina Ambakireny, […]