Hanomboka anio any Debrecen, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Lalao Olympika (JO 2024), eo amin’ny taranja basikety lalaovina olona 3. Anisan’izany ny Ankoay lehilahy, izay hifandona amin’i Lituanie, ao amin’ny vondrona «A». Aorian’izay, hidona amin’i Allemagne ary ny sabotsy izao no hifampitana amin’i Suisse. Tafaraka vondrona ao amin’ny «B » […]
Mois : mai 2024
Tenisy : hiatrika ny “Roland Garros” i Tiantsoa
Anisan’ireo mpilalao tenisy, hiatrika ny “Roland Garros” hatao ao Frantsa, Rakotomanga Rajaonah Tiantsoa Sarah. Fanasana manokana na “wild card” avy amin’ny mpikarakara no hahafahany manao izany, araka ny tati-baovao avy amin’ny federasiona frantsain’ny tenisy. Hanomboka ny 20 mey ho avy izao izany fifaninanana izany ary haharitra hatramin’ny 9 jona 2024. […]
Baolina kitra : hanohana ny fifaninanam-pirenena “PFL” ny Coca-Cola
Hiara-dalana amin’ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM), manomboka izao ny Groupe Habibo soloin’ny marika Coca-Cola. Herintaona azo havaozina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Coca-cola Pureplay Football 2024. Io indray no hiantsoana ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra manomboka izao. Hanohana sy hiara-kiasa amin’ny Club de Football Elite de Madagascar (CFEM), […]
Ho avy eto an-dRenivohitra: hitondra ny « Indray mihira » ny Sandratra Anjeva
Tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny tontolon’ny soratra. Hiova tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay… Hanatanteraka antsa lehibe ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva. Raha ny avy any an-dRenivohitra no manatanteraka hetsika any amin’ny sampana… Hiova indray izany ! Ho avy eto Antananarivo ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva. Hanatanteraka antsa tononkalo […]
Tetikasa Kopakelatra : tavoahangy 7 700 voaangona
Nanao hetsika goavana tany Toamasina ny ekipan’ny RSE ao amin’ny orinasa Star, ao anatin’ny tetikasa Kopakelatra, entina hitsinjovana ny tontolo iainana. Taorian’ny fitetezana ny tanàna, nanentanana ny mponina, maherin’ny 7 700 ny tavoahangy plastika avy nampiasaina voaangona. Tohin’ny nametrahana toeram-panangonana manokana efatra (Club Nautique, Total Villa Plexis, Galana Bazary Be, […]




