Mois : mai 2024
Basikety- Acnoa: miravaka volamena ny Ankoay, lahy sy vavy
Misongadina tanteraka ny Malagasy mpilalao amin’ny fifaninanana Acnoa, faritra fahafito izay atao ao Seychelles, sokajy lehilahy sy vehivavy, U18. Nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny taranja basikety 3×3 ny ekipam-pirenena Ankoay, lahy sy vavy, omaly, nandritra ny famaranana. Ny vehivavy mpilalao, nanamontsana an’i Seychelles, mpampiantrano, tamin’ny isa mavesatra 21 no […]
AS Fanalamanga : mangataka ny hanasaziana ny Fosa Jr
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny AS Fanalamanga! Mangataka ny hampiharana ny sazy noho ny fandikan-dalàna izay nataon’ny Fosa Junior Boeny ry zareo, araka ny valandresaka nataon’ireo mpitantana eo anivon’ity klioba ity, omaly, teny Nanisana. Raha ny fanazavan’izy ireo, tsy mbola nahazo ny taratasy fahazoan-dalana mifindra any amin’ny Fosa Junior Boeny, Rajomazandry […]
Rugby vehivavy – «Can 2024»: hiady izay ho any Londres ny Makis sy ny Springboks
Famaranana goavana! Hifanandrina amin’ny Makis Ladies Madagasikara ny Springboks Afrika Atsimo rahampitso, eto Antananarivo. Fihaonana farany izay tafiditra amin’ny fifaninanana “Rugby Africa Cup 2024”, sokajy vehivavy. Ho fantatra rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, izay ekipa hisolontena an’i Afrika, hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby vehivavy lalaovina olona 15. […]
Tao anatin’ny telo volana : nihena 30,7% ny vokatra naondran’i Madagasikara
Nihena hatrany amin’ny 30,7% ny vokatra fanondran’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024 raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ka mampitotongana ny toekarentsika, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) momba ny fanadihadiana ny toekarena, ny talata teo. Voatonona ao anatin’izany ny lavanila, jirofo, kobalta sy ny maro […]




