Namoaka fanambarana amin’izao hiatrehina ny fifidianana solombavambahoaka izao ny masoivoho amerikanina. Tafiditra ao anatin’izany ny fanombohan’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra. “Raisinay ho porofon’ny fahavononana hampihatra ny demokrasia izao dingana lehibe izao. Zava-dehibe ny fanatanterahana ny fifidianana malalaka sy ara-drariny ary am-pilaminana”, hoy ny fanambarana. Nanentana ny vahoaka malagasy koa izy ireo mba handray […]
Mois : mai 2024
Tsy vonjy tavanandro
Anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka ny kandidà isanisany, ankehitriny. Mafana ery ny « ambiansy », eny an-kianja. Carnaval sy fetibe isan’andro indray aloha no iarahan’ny vahoaka sy ny olona ho finidiny. Hadinodino anatin’ny fotoana fohy Rafahantrana sy Rafahasahiranana. Maresaka ny tanàna amin’ny fitsinjahana ankamalanjana. Samy manovokovoka rahateo ny mpisehatra rehetra. Ny biletà tokana […]
Fampielezan-kevitra : mila manaja ny tsy fiandaniana ny mpiasam-panjakana
Voararan’ny lalàna ny fitanilan’ny mpiasam-panjakana amin’ny fanomanana fifidianana. Mila miala amin’ny andraikiny izay te hanao fampielezan-kevitra. “Anjaranay ny mampahatsiahy ny tokony hanajana ny tsy fiandaniana. Ny mpiasam-panjakana dia an’ny vahoaka, tsy misy ny hoe tsy maintsy mankatsy na mankaroa”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, amin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana depiote izao. […]
TSELATRA
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy namboly rongony sady mivarotra izany tao amin’ny fokontany Tsararano ambany, kaominina renivohitra Mahajanga, omaly maraina. Nambolen’io lehilahy io anaty “pot” niisa 71 ireo zava-mahadomelina. Mikirakira rongony mahery vaika “héroïne” koa izy. Zaza miisa roa niara-maty voahitsaky ny kamiao tao Morafeno, Amboasary Atsimo, afakomaly. Lany […]
Ambohimanambola : vehivavy maty voahosin’ny kamiao
Maty voahitsaky ny kamiaobe ny renim-pianakaviana iray 27 taona tao Ambohimanambola, afakomaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Nandalo ny arabe io fiara mpitatitra entana io. Naka sisiny avokoa ny mpandeha an-tongotra rehetra. Niloloha entana anefa ilay ramatoa kanjo nidona tampoka tamin’ny tafontrano nandalovany ny entana teny an-dohany ka nianjera tamin’ny tany […]




