Mois : mai 2024

Rakotomavo Zo: “Tsy hita maso kanefa mankarary ny fahalotoan’ny rivotra”

Anisan’ny lasibatry ny fahalotoan’ny rivotra ny sokajin’olona marefo, toy ny ankizy sy ny zokiolona ary ireo manana aretina mitaiza. “Tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tanana ny rivotra maloto kanefa mankarary”, hoy ny mpikaroka momba ny toetr’andro, Rakotomavo Zo. Niresaka manokana momba ny fiantraikan’ny fahalotoan’ny rivotra amin’ny fahasalamana ny mpikaroka […]

Ho an’ny mitady sila-panahy : raikitra ny « Celibat events »

«Celibat events», io no anarana nasalotry ny Alone mpikarakara ilay ambohi-pihaonan’ireo mitady sila-pa­nahy, namana, sakaiza. Etsy amin’ny Restaurant Henintsoa By pass Ambohimangakely no hanatanterahana azy ity voalohany eto Madagasikara, ny sabotsy 18 mey, hanomboka amin’ny 5 ora hariva. Fanda­haram-potoana anatin’ny «Celibat events» ny fisian’i DJ Robs Mc, hanakorisa ireo hira […]

Mozika klasika : hiaka-tsehatra i Narimanana

Narimanana. Anarana tsy afaka amin’ny fiangaliana ny gitara, indrindra ny mozika klasika an-gitara. Anisan’ireo sangany sy malaza amin’izany mantsy ity mpanakanto ity. Fantatra fa i Narimanana indray no hanafana ny «Dimanche classique» andiany faha-14, izay hotontosaina rahampitso alahady 12 mey, manomboka amin’ny 4 ora, etsy amin’ny Alliance française Andavamamba. Hamerina […]

Sarimihetsika malagasy : hiatrika ny “Festival d’Annecy” ny « Ala fady »

Mitombo indray ireo Malagasy mpanatontosa sarimihetsika nandresy lahatra ireo avy any ivelany. Hetsika lehibe eo anivon’izany, anisan’ireo efa ela sy manana ny maha izy azy, ny “Festival d’Annecy”. Izay indrindra ny maha fanararaotra lehibe ny fandraisana anjara aminy. Tanterahina ny 9 jona hatramin’ny 15 jona 2024, ao Annecy Fran­ce, ny […]

FANTINA sy FINTINA

Maromaro ireo tomponandraiki-panjakana ambony nesorina noho izy ireo kandidà depiote, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra. Anisany ny kaonsily atsy La Reunion, i Tinoka Roberto, sy ny eo amin’ny BNGRC, Raholinario Paolo. Ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Savatsaraha Raby ary ny filohan’ny oniversiten’i Toliary. Resy teny amin’ny fitsarana miady amin’ny […]