Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Miarova” iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, hisitraka fitaovana arifomba sy manaraka ny fenitra ireo sampandraharaha mikirakira ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Noraisin’ny minisitra, Andriamanantany Zely, izany ny alarobia teo mialoha ny hizarana azy amin’ireo fitaleavana manerana ny faritra 23. Amperinasa manomboka izao ny toeram-pandidiana ao amin’ny […]
Mois : mai 2024
Tetikasa Sahaza : nampihena ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo
Nisy vokany ny tetikasa Sahaza, sehatrasa hanatsarana ny antoka ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafon’ny reny sy ny zaza ho an’ny faritra telo iasana : Vakinankaratra, Itasy ary Amoron’i Mania. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka mahazo ny ankizy latsaky ny 5 taona izay ambony raha mitaha amin’ny taha nasionaly, hoy […]
Tsenaben’Antananarivo : afapo ny mpikarakara
Mbola hitohy hatramin’ny alahady izao ny varotra fampirantiana ahafahana misafidy fanomezana ho an’ny reny, izay tontosaina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena karakarain’ny Reny Events, nanomboka omaly. Fanampiana ireo sahirana sy tsy manam-potoana hitadiavana fahatsiarovana ho an’ny reny, navondrona ao an-toerana ny mpandraharaha 70 samy manana ny mampiavaka azy […]
Faha-40 taonan’ny TPLA Ambohibao: hiitatra amin’ny fitsaboana ny voa sy ny zaza
Maro ny sampandraharaha ao amin’ny hopitaly loteranina Ambohibao fa ny foibe mitsabo ny fangejan’ny zava-mahadomelina no tena ahafantaran’ny olona azy. Hiitatra amin’ny fitsaboana ny aretin’ny voa ihany koa ny hopitaly. Manamarika ny ivon’ny fankalazana ny faha-40 taona nijoroany ny tobim-pitsaboana Loteranina Ambohibao (LTPA). Anisan’ny mampiavaka ny hopitaly ny fisian’ny foibe […]
TARATRY ny KANTO
Teo amin’ny laharana fahavalo no nisy an’i Andrianahy Zanadaory Joel Bastina, fantatra amin’ny anarana hoe Konahy Junior, nandritra ny fifaninanana “Africa Championship Online 2024”. Hiatrika ny fiadina ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny “Slam poèsie”, atao any Togo, ny volana novambra izao izy. Ny tarika Iraimbilanja indray no hanafana ny […]




