Mois : mai 2024

SOMBIM-BAOVAO

Tonga any La Reunion, i Berajo, Malagasy vodilaharana amin’ny taranja baolina kitra. Milalao ao amin’ny klioban’ny St Denis FC ny tenany amin’izao fotoana izao, ary miaraka aminy ao i Tsito, Malagasy lohalaharana. Tsiahivina fa efa ho sivy volana izay i Berajo no nijanona teto Madagasikara ka izao lasa izao ihany. […]

Hand Ball – IHF Trophy : nahazo fandresena telo ny Akio, omaly

Nandresy avokoa ireo ekipa nasionaly malagasy Akio, sokajy “juniors” sy ny “cadets”, omaly, nandritra ny fifaninanana “IHF Trophy” faritra fahafito, taranja Handball, lehilahy, izay atao eto Mada­gasikara, ny 22 – 25 mey. Lavon’i Madagasikara, tamin’ny isa 49 no ho 10 i Seychel­les, teo amin’ny “cadets U18”. Ary mbola nomontsanan’ny Malagasy […]

Kitra – Telma Coupe : hatao amin’ny volana jona ny ampahefa-dalana

Lalao goavana no miandry ireo ekipa valo mifaninana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara amin’ny 2 jona ho avy izao. Hotanterahina eto an-drenivohitra avokoa ny lalao ampahefa-dalana rehetra. Lalao madio ! Tao anaty mangarahara tanteraka no nanaovana ny hatsapaka hahafantarana izay hifanandrina amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Cou­pe”, omaly, […]

Mahafaty olona betsaka : mampiakatra tosidra ny adin-tsaina sy fomba fiaina tsy milamina

Mirongatra ary ma­hafaty olona maro ny fiakaran’ny tosidra maneran-tany. Ahitana izany ny eto Ma­dagasikara. 40%-n’ny olona mahazo taona no voan’ny tosidra miakatra, raha ny tarehimarika navoakan’ny antontan’isa momba ny fahasalamana avy amin’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­aka tamin’ny tao­na 2021. Maro ny antony tena mahatonga ny fiakaran’ny tosidra eo amin’ny olona iray. […]