Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 26 mey 2024, ao Montréal, Canada, ny “Festival BD de Montréal” (FBDM), andiany faha-13. Mpanao tantara an-tsary maro, avy amina firenena maro samihafa no mandray anjara sy maneho ny talentany ao anatin’izany. Ankoatra ny fihaonana amin’ireo mpanao tantara an-tsary kalaza, hetsika maro manodidina ny tantara an-tsary […]
Mois : mai 2024
« Dago Madness Beatz »: hanomezana sehatra ireo mpanakanto mahaleo tena
Ary raha homena sehatra lehibe ireo mozika tsy faheno matetika ? Iray amin’ireo tanjona amin’ny hetsika « Dago Madness Beatz » izany. Tosika ho an’ireo mpanakanto mahaleo tena ihany koa. Tsy ireo fandre matetika ihany ny mozika. Tsy ireo fahita an-tsehatra matetika ihany koa no mpanakanto. Fa izy ireo kosa aloha no malaza […]
Sehatra bagasy: vonona ny mpanao « Redombe »
Mahalana vao ahitana hetsika lehibe natokana ho an’ny bagasy ranoiray tahaka ity. « Redombe Bagasy », fampisehoana an-tsehatra hotontosaina ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny tolakandron’ny sabotsy 25 mey ho avy izao. « Vonona izahay. Fotoana ela rahateo no niomanana. Mpandray anjara maro no hiaka-tsehatra. Hira maro no hokaloina… », hoy i Jeannot Rasolondraibe, anisan’ny […]
35 taona niseharana: mandalo eto i Dj Dina
Iray amin’ireo mpikosoka kapila efa voky traikefa i Dj Dina. Efa an-taonany maro ihany koa no mila ravinahitra any Frantsa izy. Mandalo eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, ary nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ity mpikosoka kapila ity. “Manembona ireo fotoana niarahana teto ka hamerina kely izany”, hoy izy, tetsy amin’ny Oxygène, […]
Niova tanteraka: Adalam-pandrosoana ny vehivavy malagasy
Vehivavy, Reny ! Ny Reny, mpanabe !… Nanatanteraka ny adidy sy ny andraikiny hatrany ny Reny hatramin’izay. Niova tsikelikely anefa izany taty aoriana. Fiovana niantraika tamin’ny taranany sy ny firenena manontolo ! Mijery tahirin-kevitra sy tahirin-tsary tany amin’ny taona 1958… Mahita ireo vehivavy malagasy, « mihaja », « manaja » ! Mihaja satria tsy mitsipaka ny kolontsaina sy […]




