Fantatra fa tsy ho anisan’ny handrafitra ny Les Bleus amin’ny lalao Olympika, hotanterahina ao Frantsa amin’ny taranja baolina kitra i Kylian Mbappe. Fihaonana hanomboka ny 26 jolay ho avy izao. Raha ny fantatra, hiaraka amin’ny ekipan’ny Real de Madrid, amin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana 2025 ny tenany. Efa fantatra avokoa ny […]
Mois : mai 2024
Baolina Kitra : vita ny fifanarahan’ ny Me Rôro sy ny FMF
Izay vao milamina ny zava-drehetra. Tontosa ny talata 14 mey lasa teo, teny amin’ny foibe toeran’ny baolina kitra malagasy eny Isoraka ny fifanaovan-tsonia, fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Me Rakotondrabe Romuald (Rôro) sy ny Federasiona malagasy (FMF). Araka ny fampitam-baovao, haharitra hatramin’ny volana oktobra 2026 izany fifanarahana izany. Me Rôro, araka […]
Judo – «Mondiaux 2024»: resy teo amin’ny savaranonando Rasoanaivo Laura
Ratsy ny vokatra ho an-dRasoanaivo Aina Laura, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja judo sokajy «senior», vehivavy. Vao teo amin’ny dingana savaranonando dia efa resy ity hany solontena malagasy ity. Tsy lasa lavitra fa vao teo amin’ny lalao savaranonando dia efa nangoron-damba Rasoanaivo Aina Laura, nandritra ny fiadiana […]
Karate – “Afrique de l’Est” : 52 mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena
Hatao eto Madagasikara amin’ny 6 hatramin’ny 9 jona izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika faritra Atsinanana, ho an’ny taranja karate. Firenena 10 amin’ireo 14 mpikambana no handray anjara amin’izany. Fifaninanana natokana ho an’ny sokajy cadet, junior ary senior. Ho an’i Madagasikara, 52 be izao no hiaro ny voninahi-pirenena, ka ny […]
Poun Green : hankalaza ny faha-40 taona an-tsehatra
Anisan’ireo andrarezina ! Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny rock malagasy ihany koa ny an’i Jimmy Poun Andrianiaina, na i Poum. Fantatra mantsy fa feno 40 taona amin’ity no niakarany an-tsehatra, ary tsy havela handalondalo foana izany. Mandritra ny taona ny fankalazana, ka hosokafana ny sabotsy 25 mey izao izany, manomboka […]




