Mois : mai 2024

Fifidianana depiote: tonga hatramin’ny fandrahonana ny propagandy

Manahy antsojay politika  amin’izao  fampielezan-kevitra izao ireo haino aman-jery sasany. Anisan’izany ny taratasy navoakan’ny lehiben’ny disitrikan’Antanifotsy nomena ny mpitantana ny sampana radio A/Z Radio any an-toerana. Voalaza anefa fa sampana tsy mamokatra fandaharana izany onjam-peo izany. Mampita ny feo avy any Antsi­rabe fotsiny izy ireo nefa izao nahazo fandrahonana fanakatonana […]

Madagasikara sy Chine: mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa

Nisy ny fihaonana teo amin’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Ra­fa­ravavitafika, sy ny masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Ji Ping, ny talata teo, teny amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny, eny Anosy. Tanjon’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nandritra izany ihany koa no nanambaran’ny masoivohon’i Chine ny […]

Fanentanan’ny Ceni : manana zo haneho ny safidiny ireo sembana

Mitohy hatrany ny fanentanana sy ny fampahafantarana ataon’ny Ceni, amin’izao andro vitsy mialoha ny fifidianana solombavambahoaka izao. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny momba ireo mpifidy miaina anaty fahasembanana. “Manan-jo hanana mpanaraka azy arakaraka ny filany ireo sembana. Tahaka izany koa ireo manana olana eo amin’ny fahitana. Omena fitaovana efa voaomana izy ireo”, […]

Filohan’ny HCC : “Zon’ny kandidà ny mitory”

Fampahatsiahivana… Herinandro sisa dia hifarana ny fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana depiote izao. “Raha misy mahatsiaro fa voadona ny zony amin’ny hala-bato sy ny tsy fa­na­rahan-dalàna, zon’ny kandidà ny mitory any amin’ny Fitsara­na avo momba ny Lalàmpanorenana”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, tany Toamasina, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny amin’izay mety […]