Nezahin’ny mpitsabo navotana, lehilahy iray namoy ny ainy tao Mananjary, afakomaly. Nifatotra tamin’ny tady ny tendany. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 41 taona tao amin’ny fokontany Ambatolambo, kaominina Mananjary, afakomaly. Nihantona tamin’ny tady tao amin’ny trano fonenany izy ny marain’io alahady 19 mey io. Niezaka namonjy azy ireo nanatri-maso. […]
Mois : mai 2024
INDRAY MIJERY
Sahirana ny mpiteraka sy ny mpiandry marary rehetra ao amin’ny Cenhosoa fa tsy mandeha ny rano. Voatery mivatsy avy any an-trano ny fianakaviana. Olana tsy vao izao no niseho izany fa efa amam-bolana maromaro, hoy ireo manana marary tsaboina ao. Filana fototra amin’ny asam-pitsaboana anefa ny rano ka tokony hovahan’ny […]
Mampivoatra ny mponina eny ifotony : nankalaza ny faha-30 taona nisiany teto Madagasikara ny Peace Corps
Nankalaza ny faha-30 taona nisiany teto Madagasikara ny Peace Corps, ny zoma lasa teo. Natao tetsy amin’ny trano fonenan’ny masoivoho amerikanina Ambaranjana ny lanonana. Nanomboka nisy teto Madagasikara ny fikambanana, ny taona 1993. Milatsaka an-tsitrapo misehatra amin’ny lafiny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny fambolena manerana ny Nosy izy ireo. […]
“Tagnamaro” : nanao hetsika ny any Vakinankaratra sy Diana
Tonga maro ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ao amin’ny faritra Diana tamin’ny fanatanterahana ny hetsika « tagnamaro, andron’ny olom-pirenena », fanao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana, notontosaina tao amin’ny CFP par Excellence ao Antsiranana. Sekoly efatra LTP PK4, […]
Cisco Antananarivo Renivohitra: 5 taona ny mpiadina zandriny indrindra amin’ny CEPE 2024
Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana ny tomponandraikitra sy ny mpiadina amin’izao fotoana izao. Iray volana mialoha ny CEPE, mandrefy ny fari-pahaizana amin’ny andrana ny mpiadina. Mahatratra 27 581 ny isan’ny mpiadina amin’ ny fanadinam-panjakana CEPE ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, araka ny vaovao navoakan’ny Cisco. Hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 42 izy […]




