Nahatratra 30 000 taonina ny vokatry ny fampamokarana ny atirano (aquaculture), tamin’ny taona 2023. « Mbola azo hampitomboina tsara io taham-pamokarana io mba hamaliana ny filan’ny firenena, izay tombanana ho manodidina ny 300 000 taonina », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, teny Ampandrianomby. Milanja 142 000 taonina hatreto ny fitambaran’ny vokatra amin’ny seha-pihariana jono. « Tokony hamafisina ny fampamokarana ny atirano eto Madagasikara manoloana ny fanjifana trondro isan-taona izay tombanana ho 7 kg isaky ny mponina isan-taona amin’izao fotoana izao », hoy hatrany ny minisitra. Fantatra fa mbola ambany io salanisa io oharina amin’ny taha ankapobeny aty Afrika izay 11 kg isaky ny mponina isan-taona. Nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), etsy Ampandrianomby, ny Drafitrasam-pirenena momba ny Jono madinika an-dranomasina sy an-dranomamy (Plan d’action national de développement de la petite pêche) sy ny Torolalana mahakasika ny fampiasam-bola amin’ny fampamokarana ny atirano eto Madagasikara (Guide d’investissement en aquaculture). Ankehitriny, tahirin-kevitra miisa 12 no navoakan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ho fampiroboroboana ity seha-pihariana ity ka anisan’izany ny jono madinika sy ny fihariana anaty rano. Nilaza ny minisitra fa :
« afaka mirehareha isika eto Madagasikara satria isika no manana izany documents stratégiques izany maro indrindra izay lasa modely aty Afrika ». Mpiara-miombon’antoka maro no nanohana an’i Madagasikara nahatongavana amin’izao, anisan’izany ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fambolena sy ny sakafo (FAO).
Henintsoa H.




