Mois : juin 2024

Tohana ho an’ny PME : hiara-hiasa ny DGI sy ny FMFP

Vonona hanohana ny ny orinasa malagasy madinika sy salantsalany (PME) ny foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) sy ny tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP) amin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia, ny alarobia teo, tetsy Ambodivona. Tantsoroka izay hiompana tanteraka amin’ny fampanarahana ny toetrandro ireo fahalalan’ny orinasa ny lalàna sy ny paika […]

Jono : tafakatra 44% ny vola azo tamin’ny UE

«Nitombo 44% ny vola niditra tamin’ ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny jono niarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE)», hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert. Mangarahara tanteraka ny asa sy ny vola niditra tamin’ ity sehatra ity, hoy hatrany ny fanazavany. Notohizany fa fifanaraham-piaraha-miasa faha-11 niarahana tamin’ny UE nahazoana […]

Tropic.com : ilaina ny serasera amin’ ny tambajotra

Tsy mitsahatra mivoatra ny fivoaran’ny serasera. Ao ana­tin’izany ny sehatry ny fiza­hantany. Mandray anjara eny amin’ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM) sy ny asa tanana (IHM) eny amin’ny CCI Ivato, ny 20-23 jona 2024 ny orinasa Tropic. com. Misehetra amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fifandraisana sy ny serasera amin’ny mpanjifa. […]

VAOVAO TAMBATRA

Mandroso ny fametrahana fivilianan-dalana any amin’ny tetezan’i Manambary, PK 173, amin’ny lalam-pirenena fahadimy, RN 5, faritra Sava. Any amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar ity lalana ity, izay simban’ny rivodoza Gamane farany teo. Manodidina ny 50 000 hatramin’ny 100 000 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana anglisy ao anatin’ny fandaharanasa […]

ITM-IHM : « Hanangana hotely kintana 5 miisa 15 », hoy ny filoha Rajoelina

Anisan’ny nivoitra nandritra ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny hetsika ITM-IHM, ny hanan­ganana hotely lehibe kintana 5 miisa 15. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fizahantany izany. Nisantatra ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ITM andiany faha-10, sy ny asa tanana IHM, andiany voalohany, eny amin’ ny CCI Ivato, […]