Mois : juin 2024
Taratry ny kanto
Nivoaka ny lisitra farany amin’ireo handray anjara amin’ny “Generation 2000’s”. JoyK, izay handrasana manokana avy any an-dafy, Unik izay niverina tamin’ny endriny voalohany nahafantaran’ny maro azy, Spy D izay efa ela tsy hita an-tsehatra, Titi, tsy heno elaela ihany koa ary i Tovo J’Hay sy Raboussa, izay mameno ny fepetra. […]
“Iray volan’ny teny malagasy”: mila manao ezaka mitohy ny tsirairay
Hivalona tsy ho ela ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Amin’ny ankapobeny, saika nitovy tamin’ny hita isan-taona ihany ny zava-niseho tamin’ity. Noho izany, misy tsy tontosa ao ! Atrikasa, velakevitra, fampirantiana, famoahana boky… Saika efa fahita sy faheno nandritra ny taona maro nisian’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Ao […]
Sombim-baovao
Hatao anio sy rahampitso, ao amin’ny kianja Saint Denis La Réunion, ny fifaninanana “Run Ball 2024”, taranja basikety 3×3. Hiatrika ny fifanintsanana “Challengers de Pristina” any Kosovo, izay mivoaka mpandresy amin’izany. Tsara marihina fa samy mandray anjara ao avokoa ny Ankoay, lahy sy vavy. Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy […]
Rallye – «Mada 2023»: hozaraina anio ny amboara
Hotanterahina, anio, etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny fizarana loka ho an’ireo mpandresy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rallye, ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Tompon’ny anaram-boninahitra i Mathieu, mpanamorin’ny klioba Asacm. Andry Tahina, ny teo amin’ny mpanamory mpanampy. Rasoamaromaka Faniry, avy amin’ny TMF ny voalohany teo amin’ny kilasy […]




