Nitombo ny trangana famonjena voina nataon’ny Sampana mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Mahatratra 126 ireo trangana famaizana niseho, raha ny tatitra nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsaralalana, omaly. Betsaka indrindra tamin’izany ny trangana haintrano, manodidina ny 80. 9 […]
Mois : juillet 2024
Madagasikara- Guinée-Bissau : tafapetraka ny fiaraha-miasa lasitra amin’ny sehatra maro
« Pejy vaovao ho an’ny sehatry ny diplaomasia sy ny fiaraha-miasa ary firahalahiana eo amin’i Madagasikara sy i Guinée-Bissau izao nosokafana izao », hoy ny filoha Rajoelina Andry. Nitohy omaly ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, tao Guinée-Bissau. Valin’ ny fanasana manokana nataon’i Umaro Sissoco, filoham-pirenen’i Guinée-Bissau. Sahala […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao omaly, noraisin’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina, tao amin’ny biraony ry Rakotondrazaka Oceane sy Mayane, mpirahavavy izay voahosotra ho tompondakan’i Afrika U15, taranja tenisy ambony latabatra. Notoloran’ity tomponandraikitry ny tanànana ity mari-pahatsiarovana sy fanomezana moa izy ireo. Notontosaina tao amin’ny Kianja Bika Tsiroanomandidy, nanomboka ny alatsinainy […]
Kitra – D2 National : manana isa efatra ny AS ST Anne
Notanterahina omaly, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions D2 National”. Nahazo vokatra tsara ny ekipan’ny AS ST Anne, solontenan’Analamanga. Nandresy ny ekipan’ny Black Power Sofia, 1 no ho 0 izy ireo, omaly, tany Vohemar. Manana isa efatra izy […]
Barea de Madagascar : Vita ny fandidiana an’i Metanire
Tontosa ny alatsinainy lasa teo, tany Etats-Unis, ny fandidiana ny lohalika havian’ilay vodilaharana malagasy ao amin’ny Barea de Madagascar, i Romain Metanire. Tsy misy intsony ny ahina amin’ny toe-pahasalamany. Efa manomana ny fiverenany an-kianja ny tenany ankehitriny ka hanombohany izany ny fanetseham-batana. Marihina fa noho io aretina nahazo azy io […]




