Mois : juillet 2024

TARATRY ny KANTO

Hisy sampan’ny Académie du Hip-hop hiso­katra eto Madagasikara. Tohin’ny fandalovan’ilay mpanakanto Grödash, izay sady tale ara-javakan­ton’ity ivontoerana any Frantsa ity teto izany. Fan­tatra ihany koa fa i Fyh, izay mpikarakara hetsika manodidina ny Hip-hop no voatendry hitantana izany. Amin’ny zoma 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 8 ora alina, hanatanteraka seho […]

« Festival de Locarno 2024 »: anisan’ny hitsara ny hetsika Razanajatovo Laza

Dingana lehibe ho an’ny tontolon’ny sinema malagasy izao nahavoatendry an-dRazanajatovo Laza ho mpitsara amin’ny hetsika lehibe manana ny maha izy azy maneran-tany izao. Navoakan’ny mpikara­kara, omaly, ny anaran’ ireo ho mpitsara ny « Festival de Locarno” andiany faha-77. Anisan’ny mandrafitra ireo vondron’ny mpitsara amin’izany Razanajatovo Laza, talen’ny Rencontre de Film Court […]

Fampianarana: mila omena vahana ny fomba…

… Simba noho ny tsy fahalalam-pomba ny fiarahamonina mala­gasy. Anisan’ny olana goavana nahatonga izany ny tsy nampitan’ny raiamandreny ny fomban-drazana, ny fomban-tany, ny fombam-piarahamonina, sns, taty amin’ny taranaka mandimby. Ny ankehi­triny, rahateo, kamo mikaroka, malaina ny hianatra. Anisan’ny fanarenana mila ampiharina eto Madagasikara ny fanovana ifotony ny fandaharam-pianarana any an-tsekoly. […]

Erick Manana sy Jenny Fuhr : 15 taona tao anaty tsikombakomba mozika

Homarihina amin’ny seho goavana ny 15 taona niarahan’i Eric Manana sy Jenny Fuhr miasa. Fotoana hiverenana amin’ny hira nanamarika ny fampiaraham-peon’izy ireo izany. “2 Cv an-dRandria”. 13 taona lasa izay no ni­voahan’io hira io. Hira nanamarika voalohany ny fampiarahana mozika teo amin’i Erick Manana sy i Jenny Fuhr izany. Efa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka ny tetikasa fananganana tohodrano mamokatra herinaratra any Volobe (CGHV) Toamasina. Eo am-pananganana ny biraon’ny orinasa CGHV hanao ny tetikasa ny any an-toerana, hiandraiketan’ny orinasa EGC mazava. Nanomboka ny 18 jolay teo ny asa, ary haharitra 105 andro, ho vita amin’ny 30 oktobra 2024. Nandray anjara tamin’ny fivoriana faha-46 nataon’ny […]