“Euro 2024” : I Espagne sa i Angleterre?

Enina taona aty aoriana! Hifanandrina eo amin’ny fa­ma­ranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, i Espagne sy i Angle­terre. Lalao izay hotanterahina ny 14 jolay ho avy izao, any amin’ny kianja Olympia Stadium Allemagne. Raha hiverenana ny manasa-dalan’ izy ireo, ny Three Lions Angleterre no nanintsana ny Oranje Pays Bas, tamin’ny isa, 2 no ho 1, ny alarobia lasa teo. Resin’ny La Roja Espagne, 2 no ho 1, ihany koa ny les Bleus France, ny talata lasa teo.
Mbola manala vela ny La Roja amin’ity fihaonan’ny roa tonta ity. Tsiahivina fa lavon’ny Three Lions, 3 no ho 2, izy ireo, ny taona 2018, nandritra ny fifaninanana eoropeanina, “Ligue des Nations”.
Samy manana mpilalao kalaza ny roa tonta. Ry Lamine Yamal, Nico Williams sy Alvaro Morata ary Olmo, ny an’ny La Roja, raha toa ka ry Bellingham sy Saka ary Harry Kane kosa ny an’ny Three Lions. Tsara ny mampahatsiahy fa ny taona 2021, niondrika teo an-taniny, tany Angleterre, nandritra ny famaranana ny “Euro 2020” ny ekipa nasionaly anglisy. Andrasana izay handimby ny toeran’i Italie, tompondaka farany.

Fitia Randria

Partager sur: