“Coca-Cola PFL” : hanala vela amin’ny Cosfa ny Ajesaia

Hotanterahina rahampitso avokoa ny lalaon’ny andro voalohany ho an’ny fifanintsanana “Playout Coca-Cola Pureplay Football League”. Kianja roa no handray ny lalao, eto Antananarivo, amin’izany.

Hotontosaina eto an-drenivohitra, rahampitso, ny andro voalohan’ny fifaninanam-pirenena hahafantarana ireo ekipa roa midina any amin’ny diviziona faharoa, “Playout Coca-Cola PFL”, ho an’ireo kaonferansy roa, avaratra sy atsimo. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny rehetra, ny fifanandrinan’ny Cosfa miaramila sy ny Ajesaia Bon­go­lava, izay samy miray vondrona ao amin’ny Kaon­fe­ransy Avaratra. Hatao eny amin’ny kianja CFFA An­doha­ranofotsy etsy Iavoloha izany.

Tsiahivina fa mbola manala vela amin-dry zareo miaramila ny ekipan’i Bongolava, satria efa lavon’ny Cosfa ta­min’ny isa 3 no ho 2 ny Ajesaia, ny volana febroary lasa teo. Tsara marihina fa amin’ity fifanintsanana ity, hifandimby hihaona avokoa ireo ekipa efatra isaky ny Kaonferansy, ary lalao mandroso ihany no hatao. Izay laharana farany isam-bondrona no mihintsana any amin’ny diviziona ambany.

Ampahatsiahivina ihany fa ny CFFA Andoharanofotsy, Dato FC, Mama FC, Inate FC Rouge Vakinankaratra no miatrika ity fifaninanana ity ho an’ny Kaoferansy Atsimo. Ny klioban’ny Ajesaia, Cosfa sy ny Uscafoot ary ny KFCA Diana, ny an’ny Avaratra. Ankoatra izay, raha tsy misy ny fiovana, hivoaka aorian’ity Playout ity ny sazin’ireo klioba na mpilalao sy mpanazatra, nanakorontana nandritra ny fifanintsanana nasionaly.

Fitia Randria

Ireo fandaharan-dalao rehetra rahampitso :

Kianja CFFA Andoharanofotsy :
10 ora sy sasany : Cosfa vs Ajesaia
12 ora sy sasany : Mama FC vs Inate FC Rouge
2 ora sy sasany : CFFA vs Dato FC
Kianja Monisipaly Alarobia :
2 ora sy sasany : Uscafoot vs KFCA Diana

Partager sur: