Rugby : mpanazatra 7 lahy niofana

Notanterahina ny alarobia sy ny alakamisy lasa teo, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiofanana ho an’ ireo mpanazatra manana ny fahaizana “niveau 2”. 7 mirahalahy izy ireo, avy amin’ny klioba “federal 2”. Nitarika sy nampi­ofana kosa i Mohamed Sharaoui, manam-pahaizana avy
amin’ny World Rugby.
Mbola karazana tombana ity natao ity, nijerena ny fahaizana efa norantovin’ireto mpanazatra ireto sy ny dingana efa vitany. Nizara roa miavaka tsara ny fizotry ny fiofanana. Nisy ny natao an-tsoratra tao anaty efitrano ka nampiasana ny horonantsary sy ny boky. Teo koa ny fampiharana mivantana teny an-kianja ka nisy ireo mpilalao nanaovana andrana. Nisy ny karazana fitsapana madinidinika natao tamin’ireo mpiofana. Lohahevitra maro no natao nandritra ny roa andro ka tao ny momba ny lalàna mifehy ny rugby amin’izao fotoana izao, ny fomba fampitana ny teknika amin’ireo mpilalao, ny fitantanana lalao, ny fitarihana fanazarantena sy ny hafa. Nanampy an’i Sharaoui ny tale teknika nasionaly (DTN).

Tompondaka

Partager sur: