Mpianatra 14 tamin’ireo 16 niatrika ny fanadinana BEPC no afa-panadinana tamin’ity taona ity tao amin’ny Akanin’ny marenina (Akama) 67Ha. 100% kosa ny fahafahana CEPE tao an-toerana. 5 kosa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana bakalorea amin’ny herinandro. Ankoatra ireo mpianatra manana olana amin’ny fandrenesana, mandray mpianatra mandre koa ny akany. Nanao […]
Mois : juillet 2024
Famarinana olona : mbola anisan’ny arahi-maso i Madagasikara
Namoaka tatitra momba ny famarinana olona ny departemantam-panjakana amerikanina tamin’ity taona 2024 ity. Tsy nisongadina ny ezaka fa mbola mijanona ao anatin’ny sokajin’ireo firenena arahi-maso na “Tier 2 Watchlist” izay efa nisy azy tato anatin’ny roa taona i Madagasikara. Ny sampandraharaham-panjakana amerikanina misahana ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ny famarinana […]
Fianarana teny allemagne : mahaliana ny tanora malagasy
Notanterahina tetsy amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny faran’ny herinandro teo, ny “Salon d’orientation professionnelle pour les germanophones”. Hetsika nokarakarain’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM). Tanjona ny hanampiana sy hanomezana torohevitra ireo ankizy sy tanora malagasy maniry hiasa sy hanohy fianarana any Allemagne. Mahakasika ny dingana rehetra atao amin’ny fianarana ny fiteny allemand […]
Bakalorea 2024: 17 041 ny mpiadina tsy miankina amin’ny sekoly
Herinandro mialoha ny fanadinana bakalorea, mbola misy sekoly manome fizarana samihafa hatramin’ny zoma izao hanamasahana ny fahalalana. 218 359 ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea taona 2024, araka ny fampitaom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. 207 097 ny mpiadina amin’ny sokajy fampianarana ankapobeny, raha 11 262 ny sampana teknika […]
Fandraharahana: Liana amin’ny tetikasa Odof ny mpianatra
Hivondrona sy hanangana orinasa ho azy ireo manokana ny mpianatra avy ao amin’ny Lycée téchinique profesionnel Moramanga taorian’ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ny herinandro teo. Nampirisika sy nanohana azy ireo hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ny minisitra dieny mbola any an-tsekoly. Orinasa azo […]




