Mois : juillet 2024

SAMPANA MPAMONJY VOINA : 126 ireo trangana fahamaizana, 35 maty

Nitombo ny trangana famonjena voina nataon’ny Sampana mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodi­dina tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Maha­tratra 126 ireo trangana famaizana niseho, raha ny tatitra nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsaralalana, omaly. Betsaka indrindra tamin’izany ny trangana haintrano, manodi­dina ny 80. 9 […]

Madagasikara- Guinée-Bissau : tafapetraka ny fiaraha-miasa lasitra amin’ny sehatra maro

« Pejy vaovao ho an’ny sehatry ny diplaomasia sy ny fiaraha-miasa ary firahalahiana eo amin’i Madagasikara sy i Guinée-Bissau izao nosokafana izao », hoy ny filoha Rajoelina Andry. Nitohy omaly ny fitsidihana ara-panjakana na­taon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry, tao Guinée-Bissau. Valin’ ny fanasana manokana na­taon’i Umaro Sissoco, filoham-pirenen’i Guinée-Bissau. Sahala […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, noraisin’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nante­naina, tao amin’ny biraony ry Rakotondrazaka Oceane sy Mayane, mpirahavavy izay voahosotra ho tompondakan’i Afrika U15, taranja tenisy ambony latabatra. Notoloran’ity tomponandraikitry ny tanànana ity mari-pahatsiarovana sy fanomezana moa izy ireo. Notontosaina tao amin’ny Kianja Bika Tsiroanomandidy, nanomboka ny alatsinainy […]

Kitra – D2 National : manana isa efatra ny AS ST Anne

Notanterahina omaly, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions D2 National”. Nahazo vokatra tsara ny ekipan’ny AS ST Anne, solon­tenan’Analamanga. Nandresy ny ekipan’ny Black Power Sofia, 1 no ho 0 izy ireo, omaly, tany Vohemar. Mana­na isa efatra izy […]

Barea de Madagascar : Vita ny fandidiana an’i Metanire

Tontosa ny alatsinainy lasa teo, tany Etats-Unis, ny fandidiana ny lohalika havian’ilay vodilaharana malagasy ao amin’ny Barea de Madagascar, i Romain Metanire. Tsy misy intsony ny ahina amin’ny toe-pahasalamany. Efa manomana ny fiverenany an-kianja ny tenany ankehitriny ka hanombohany izany ny fanetseham-batana. Marihina fa noho io aretina nahazo azy io […]