Teo ho eo ny vokatra azon’ny Akomba de Madagascar, nandritra ny fiadiana ny «Davis Cup 2024», sokajy «sénior», lehilahy, eo amin’ny taranja tenisy. Tsy nisondrotra ny sokajy saingy nitana ny laharana fahadimy. Nifarana ny alahady lasa teo, tany Botswana, ny fiadiana ny «Davis Cup 2024», taranja tenisy ho an’ny sokajy […]
Mois : juillet 2024
INDRAY MIJERY
Nidina an-dalambe sy nandoro kodiarana teo akaikin’ny CEG Nanisana ireo mpandroaka fako eo anivon’ny Samva, omaly tolakandro. Anton’izany ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny karama. Vokany, nikorontana ny fifamoivoizana teny an-toerana. Tonga nanatsahatra ny hetsika ireo mpitandro filaminana ny hariva. Nilamina ny teny an-toerana taorian’izay. Nisy ny atrikasa mahakasika ny […]
Hanatsarana ny rafitra fanairana mialoha : nanolotra fitaovana ny BNGRC ny UNFPA
Efa manana ivontoerana mikirakira ny fanangonam-baovao eny ifotony mandritra ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza ny BNGRC. Tanjona ny hanangana Centre multimédias manatsara ny asa mifandraika amin’ny serasera sy fizarana vaovao marim-pototra. Hampiasaina ao anatin’io ivontoerana io ny fitaovana momba ny teknolojia vaovao natolotry ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba […]
Fotoan’ny fialantsasatra : tsirihina manokana ireo fiara handeha lavitra
Fotoan’ny zaikabe sy fivahinianana masina izao. Eo indrindra koa ny fotoam-pialantsasatra sy ny fandehanana manao famadihana. Misarika ny sain’ny rehetra ny tomponandraikitry ny Foibe fitsarana fiarakodia mba samy hanaraka ny toromarika sy ny fepetra rehetra ary ny lamina hiarahana amin’ny sampandraharaha samihafa. Tsy maintsy mandalo fitsirihana ara-teknika manokana avokoa ireo […]
Bakalorea : nilamina ny fizotry ny fanadinana, omaly
Nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany maraina tsy diso ny fanadinam-panjakana bakalorea, omaly. Nizotra am-pilaminana, araka izany, ny fiatrehan’ireo mpiadina izany. Nanomboka omaly ny fanadinam-panjakana bakalorea manerana an’i Madagasikara. Mahatratra 218 359 ireo mpiadina miatrika izany. Mitsinjara amin’ny foibem-pampianarana 413 sy efitrano fanalana fanadinana miisa 6 410. Nisantatra ny taranja […]




