Mois : juillet 2024

HAINGO PARADIS : “Fotoana handraisana andraikitra izao”

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, ny fanaterana ny antontan-taratasy amin’ny firotsahana ho anisan’ireo hofantenana ho ministra, ho an’i Volo­lom­boahirana Haingotiana Laurence, fantatry ny maro amin’ny anarana Haingo Paradis Madagasikara. Ny fahatsapana ny zava-misy sy iainan’ny vahoaka no tena nanosika azy hirotsaka hofantenana amin’ny ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nanambara izy […]

Minisitra miasa

  Misokatra ho an’ny kandidà rehetra te hiditra minisitra indray aloha ny lapa. Tsy ankanavaka izany fa izay vonona dia afaka mandefa taratasy fangatahana toy ny mpitady asa rehetra. Efa nilaza rahateo ny filohan’ny Repoblika fa tsy mirotoroto amin’ny fanendrena mba hahafahany misafidy tsara izay ho sakaiza mahatoky sy vonona […]

La Réunion – Madagasikara : mitohy ary hatevenina ny fiaraha-miasa

Misy ifandraisana ara-tantara eo amin’ny fiavian’ny mponina i Madagasikara sy La Réunion. Misy koa ny fiaraha-miasa, ary mitohy sy hatevenina izany amin’izao… Fahasalamana, fampianarana, toekarena man­ga, angovo azo havaozina, ny fifanakolazana eo amin’ny fikarohana ara-tsiansa… Ireo no sehatra isian’ny fiaraha-miasan’ny La Réunion sy i Madagasikara, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevi-paritra […]

TSELATRA

Sarintsarina fakana an-keriny no nataon’ilay raim-pianakaviana iray nilaza ho tsy hita tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, ny herinandro lasa teo. Nananan’ny banky vola izy ka tokony hamerina izany. Nitady hevitra io lehilahy io ka nandefasany hafatra miafina tamin’ny finday ny havany fa nisy naka an-keriny izy. Nody moramora ity farany rehefa tsy […]

Nariana tao an-davadrano: zaza vao 2 taona maty novonoin-dreniny

Notanana vonjimaika any am-ponja ny renim-pianakaviana iray namono nahafaty ny zanany vao 2 taona monja, tao Mampikony, omaly. Nisaraka tamin’ny rain-janany io ramatoa io ny volana mey lasa teo. Taizan’aretina anefa ilay zaza ka tsy afa-nitsangana. Manoloana io fahasembanan-janany io, nitsiry ny hevi- dratsin’ilay ramatoa reniny. Novonoina tamin’ny fomba feno […]