Olona iray maty, telo hafa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia tao amin’ny fokontany Tsoroboy, kaominina ambanivohitr’Amporoforo, Farafangana (RN 12), ny sabotsy teo. Teo amin’ny 31 km mialoha ny hidirana ny tanànan’i Farafangana no nitranga ny loza. Fiarakodia nitondra mpampianatra 31 mianadahy avy ao amin’ny “Lycée Saint Vincent de […]
Mois : juillet 2024
Ambohimamory Itaosy : trano fivarotana iray kilan’ny afo
Nitrangana haintrano indray teny Ambohimamory Itaosy, ny sabotsy hariva teo. Trano fivarotana iray amoron-dalana no kila hotohoton’ny afo. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana, fa ny afo efa nijoalajoala avy ao ambony rihana no nahataitra ireo manodidina. Niezaka nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo ireo mponina teo an-tanàna […]
Nanolan-jaza 3 taona: ankizilahy 17 taona naiditra eny Antanimora
Voasambotry ny polisim-pirenena, naiditra am-ponja ny tovolahy iray tsy ampy taona tratra nanolan-jaza tao Namontana. Simba tanteraka ilay lasibatra. Miandry ny fotoam-pitsarana azy eny amin’ny fonjan’Antanimora ny lehilahy 17 taona tratra nanolan-jazavavy vao telo taona monja tao Namontana, ny faran’ny herinandro teo. Niova tanteraka ny toe-pahasalaman’io zaza io, araka ny […]




