Sambany! Hampiantrano ny andiany voalohany amin’ny fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, i Madagasikara. Hotontosaina manomboka ny 4 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, eny Soavina Atmosphère, ny fifaninanana. Firenena telo no hifanintsana amin’io lalao io: i Madagasikara, mpampiantrano, sy ny Nosy rahavavy La Réunion ary i Maurice. Araka ny fanazavana […]
Mois : août 2024
SOMBIM-BAOVAO
Nanatanteraka fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, ny alakamisy lasa teo. Nambarany fa voafaritry ny didy aman-dalàna tokony hotanterahin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta ny fanambaram-pananana ka izany no antony nanaovany izany vantany vao nandray ny toerana maha minisitra azy izy. Nahita vokatra […]
Baolina kitra – « Can 2025 »: hanala vela amin’i Tunisie i Madagasikara
Hotanterahina ny 5 septambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Hamadi Aguerbi Rades, Tunisie, ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Aigle de Cartage Tunisie. Fihaonana izay tafiditra amin’ny andro voalohany, fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc. Mbola manala vela ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity […]
Karate-Afrika Cadets/Juniors: mpikatroka 6 mianadahy hisolontena ny Malagasy
Hotanterahina ny 2 hatramin’ny 8 septambra izao, any Tunis Tunisie, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate, ho an’ny sokajy Juniors, latsaky ny 21 taona. Nampahafantarina omaly, teny amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro (ANS) Ampefiloha, ny delegasiona handeha. Mpikatroka 6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena any Tunisie, mandritra ny fiadiana ny […]
Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad): 809 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola
Feno 60 taona ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) izay niforona ny taona 1964. Niditra ho mpikambana ao anatiny i Madagasikara nanomboka ny taona 1976 ka ny fanamboarana ny lalana tao Bealanana no tetikasa voalohany notohanan’ity banky ity. Tao anatin’ny 48 taona, miisa 155 ny tetikasa notohanana sy notanterahin’ […]




